Mampitandrina ny mponina mba ho mailo ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Araka ny fampitam-baovao omaly, dia misy olona mitonona ho mahafantatra tompon’andraikitra ao amin’ny fiadidiana ny tanàna amin’izao fotoana izao, manao asa fisolokiana mitaky vola eny rehetra eny.
Fanelanelanana amin’ny alalan’ny fanononana olona manana andraikitra ao amin’ny CUA ho mahavita ny raharaha ilaina no paikady ampiasainy na koa amin’ny alalan’ny fampitahorana sy fandrahonana. Ahazoany vola ny olona voarebirebiny amin’izany, ka rehefa voatery mandoa ny vola tena tokony harotsaka any amin’ny kitapombolan’ny Kaominina vao taitra.
Sehatra maro no voakasik’izany, toy ny trano fisakafoanana, trano filanonana (Karaoke…), trano fisotroana, mpivarotra amoron-dalana. Ankoatra izay ny fikarakarana ireo taratasy fahazoan-dalana samihafa, toy ny fanorenana trano, fanokafana tsena sy ny maro hafa.
Manaitra ny sain’ny mponina, araka izany, ny Fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo fa tsy tompon’andraikitra amin’ireny fomba fitakiana vola ireny. Tokony hisy ny taratasy mazava manamarina, na ny nandrotsahana ny vola, na ny antony. Manana zo hitaky taratasy manamarina ny maha mpiasan’ny CUA, miaraka amin’ny taratasy fanomezan-dalana hitaky vola koa ny olona mifampiraharaha amin’ireny sokajin’olona ireny.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.