Kaominina Ampitatafika

> Tsara fiandohana ny taona 2014, tonga ny mazava


  • Alarobia 22 Janoary 2014

Tsara fiandohana ny taona 2014 ho an’ny Kaominina Ampitatafika, Distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Tetikasa maro entina hanasoavana ny vahoaka mantsy ankehitriny no efa manangasanga, araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina. Lohalaharana amin’ireny ilay famatsiana ny herinaratra eny amin’ny sisin’arabe hialana amin’ny loza mety hitranga sy ho fitandroana ny fandriampahalemana. Ny masoivoho Sinoa no hamatsy vola ny asa izay nomarihin’ity Ben’ny tanàna ity fa Kaominina efatra eto Madagasikara ihany no nahazo izany dia ny Kaominina Ampitatafika tantanany, ny Kaominina an-drenivohitr’i Mahajanga, Mahanoro ary ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Hatomboka amin’ity taona vaovao ity ihany koa ny fanamboarana ny trano fidiovan’ny mpianatry ny lycée ao Ampitatafika. Hosarahina ny an’ny lahy sy ny vavy raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna ihany raha efa miisa fito ankehitriny ireo efitrano azon’ny mpianatra hampiasaina. Ho an’ny resaka herinaratra ihany dia hisy indray ny fametrahana herinaratra andalam-be amin’ny faritra maro samihafa, fiaraha-miasan’ny kaominina amina orinasa iray izay manaiky handoavana tsikelikely ny vola lany amin’ny faktiora. Manentana ny mponina ao aminy, araka izany, ity Ben’ny tanàna ity mba hametraka hatrany ny fitokisana azy amin’ny alalan’ny fandoavan-ketra izay nambarany fa tombontsoa ho an’ny rehetra fa tsy ho an’ny Kaominina akory.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Filohan’ny fanavaozana
  • Zoma 05 Jona 2026

"…Azo henjehina ny mpikamban’ny

  • Clémence Raharinirina "
  • Zoma 05 Jona 2026

Ny mpanenjika misy foana,

  • ADY AMIN’NY KOLIKOLY
  • Zoma 05 Jona 2026

Tanora manana kolontsaina

  • METFP sy ny BIANCO
  • Zoma 05 Jona 2026

Hiara-hiasa hiadiana ny

Hijery ny tohiny
FTT