Kaominina Amparafaravola

> Lavitry ny fandrosoana


  • Talata 28 Janoary 2014


Mbola lavitry ny fandrosoana ny tanànan’Amparafaravola. Ankoatra ny fahasimban’ireo lalana mampitohy ny renivohitry ny Kaominina amin’ireo Fokontany manodidina, dia efa potika sy tsentsina avokoa ny ankamaroan’ireo lakan-drano ao an-tanàna ka zary eny amin’ny arabe ny rano no mivarina. Mampiteny ny moana ny faharatsian’ny tanàna noho ny lalana tsy mba misy fikojakojana. Tsy ampy ny fotodrafitrasa ara-panabeazana sy ny ara-pahasalamana ka voatery mamonjy any Tanambe na Ambatondrazaka ny mponina. Ny lalana RN3A izay mampifandray azy amin’ny Distrikan’Ambatondrazaka dia betsaka no efa potika ary nanjary toy ny lalan-tany kanefa lalana vita tara izao. Manampy trotraka ireo rehetra ireo ny delestazy. Kaominina renivohitry ny Distrika izy kanefa resin’ny Kaominina ambanivohitra. Fantatra, araka ny fanadihadiana natao, fa saika lasa nila ravinahitra any amin’ny toeran-kafa avokoa ny tompon-tany ka tsy mahagaga raha mangina sy tsy misy fivoarana ny Kaominina Amparafaravola.

 

Niry A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT