Kaominina Ambalamidera II – Isandra

> Lasan’ny dahalo nirongo basy andro alahady ny omby 40 isa


  • Alatsinainy 10 Febroary 2014


Miraviravy tanana ny mponina any amin’ny Distrikan’Isandra, hoy ny TFI (Tanora ho Fanilon’Ikalamavony) tarihan’i Barri Ralaiavaoavy, fa vao manomboka ny taona dia efa mahery vaika ny fanafihan-dahalo miseho any toerana tahaka ity nitranga tany Ambalakininina, Fokontany Tanantsoa, Kaominina Ambalamidera II ity omaly alahady 9 febroary vao nangiran-dratsy. Dahalo mirongo basy miisa 25 sy fitaovam-piadiana hafa koa no naka an-keriny ny omby niisa 40 tao an-tanàna. Raikitra ny fifanjevoana teo amin’ny Fokonolona sy ireto dahalo ireto saingy tsy naharesy tosika azy ny Fokonolona ka lasa ireo omby. Na izany aza anefa dia niezaka nanao ny fanarahan-dia ny Fokonolona ka hita fa nihazo ny tetin'i Magnody ireo omby ireo, nandalo teo amin’ny faritra mampisaraka ny Distrikan’Ikalamavony sy ny Distrikan’Isandra. Dia hainao ny mitranga rehefa tafiditra anatin’izany kizo izany ny dahalo sy ny omby nentiny. Fampanantenan’ny filoham-pirenena taty an-toerana nandritra ny fampielezan-kevitra nataony ny hijery akaiky ity tsy fandriampahalemana ity, hoy ireto mpikambana TFI tarihan’i Barri nampita ny vaovao ireto, nefa toa mbola variana amin’ny adivarotra seza foana ry zareo ao ka mitohy ny fijalian’ny vahoaka. Koa manao antso avo izahay aty amin’ny Distrikan’Isandra, aoka izay ny kobaka am-bava fa tsy fotoanan’izany intsony izao, hoy ireto tanora ireto.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT