Nahazo tranompokonolona manara-penitra ny kaominina Alakamisy Fenoarivo, tarihin’ny Ben’ny tanàna Andrianaivo Rakotobe fantatry ny maro amin’ny anarana hoe : Boni.
Ny 80 %-n’ny asa fanatsarana farany sisa no tsy vita, mitentim-bidy 80 tapitrisa Ar. Vokatry ny herim-pon’ny kaominina madiodio no nanatanterahana ny asa tamin’ny alalan’ny fampidiran-ketra nataon’ny mponina nanomboka ny taona 2014 no ho mankaty. Tamin’ny alalan’ny teti-bola ifandrombonana kosa no nanapahana ny fananganana ny fotodrafitrasa izay mahazaka olona manodidina ny 300 isa, ivontoerana afaka mandray lanonana ihany koa ho an’ireo tsy manana fahafahana hanofa toeram-pilanonana goavam-be rehefa misy raharaha hatao. Fotoam-bavaka lehibe nentina nanokafana ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona izay nosokafana ny sabotsy teo ho an’ity kaominina ity no nisantarana ny fotodrafitrasa, lanonana nanasana tompon’andraiki-panjakana maro no sady nampisehoan’ny kaominina ny zava-bitany nandritra ny telo taona ihany koa. Hitohy hatramin’ny tapaky ny volana jolay ho avy io ny hetsika ho fanomezana fahafaham-po ny mponina. Tsiahivina moa fa miaraka amin’ny trano fivoahana manara-penitra ity tranompokonolona vaovao ity izay hisokatra ho an’ireo mpivarotra ao an-tsenan’Alakamisy ihany koa manomboka amin’ity herinandro ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.