Kaominin’i Toamasina Renivohitra

> Mikomy indray ny mpiasa fa tsy nahazo karama


  • Alakamisy 14 Novambra 2013


Nikomy ny ankamaroan’ny mpiasan’ny Kaominin’i Toamasina ny talata ary nitohy ny alarobia teo noho ny olana ara-karama. Efa nanao ezaka izahay mpiasa amin’ny fampidiram-bola amin’ny alalan’ny hetra samy hafa, nefa izao mbola manana olana izao hatrany ny Kaominina. Nilaza kosa tetsy an-daniny ny mpanolotsaina manokan’ny PDS fa efa tonga ao amin’ny Trésor ny vola avy amin’ny MICTSL tokony handoavana io karaman’ny mpiasa io. Milaza ho gaga anefa izy ny tsy amoahana azy hivahan’ny olana. Ny tsapa dia tsy mahavita ny tena asany amin’ny fanatsarana ny tanàna intsony ny Kaominina, hany ka mivangongo ny fako, maloto ny tontolo iainan’ny mponina ao Toamasina. Ao Bazary kely moa dia efa tsy misy aleha intsony ny lalana vokatry ny fako miavosa tafahoatra.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT