Actualités

Kaominin´i Toamasina Horavan’ny Emmo-Reg ny fitokonan’ny mpiasa ?


  • Alarobia 16 Novambra 2011

Izao vao manomboka taitra amin´ny olan´ny Kaominina ny ankamaroan´ireo fikambanana maro misy ao Toamasina Renivohitra.

Taorian´ny filazan´i Roland Ratsiraka, filohan´ny MTS, sy ny Rodobe Toamasina, izay samy mitaky ny hanalana amin’ny toerany ny PDS Rakotovao Mariot sy handraisana andraikitra amin´ny fanadiovana ny tanàna sy ny fanalana ny fako, dia anjaran´ny fikambanan´ny ray aman-dreny sy ny fikambanan´ny Zanak’i Toamasina Miray ary ireo avy nihazona andrakitra ambony teto amin´ny firenena notarihan´ny praiminisitra teo aloha, no nampiantso sy nitafa tamin´ireo mpiasan´ny Kaominina mitokona, ny alatsinainy teo. Nilaza ny handray ny andraikiny handresy lahatra ny governemanta hitsangana eo amin´ny fepetra tokony horaisina hamahana ny olana ireto ray aman-dreny ireto. Ireo mpiasa mitokona moa dia manizingizina fa dia ny «fialana na ny fanalana ny PDS no takian´izy ireo ». Omaly tolakandro dia re fa hitondra Emmo-Reg handrava ity fitokonana ity ny PDS, fa izay no vahaolana hitan´ny Kaominina. Nilaza anefa ireo mpiasa fa tsy hihemotra na hitondrana herim-pamoretana aza.

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT