Kaominin’i Toamasina

> Mpiasa 250 mitaraina ho tsy nahazo ny vola solon-gisany


  • Zoma 10 Janoary 2014

Hifanilian’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Kaominina Toamasina ny anjara volan’ireo mpiasa miisa 250 izay nampanantenaina fa hatao solon-gisa tamin’ny fetin’ny faran’ny taona teo, hoy ireo mpiasa tezitra fa tsy nahazo ny anjarany.

Raha ny taratasy eo am-pelatanan’ny Talen’ny fitantanam-bolan’ny Kaominin’i Toamasina anefa dia efa niala teo aminy ny volan’ny mpiasa rehetra. Nomarihan’ny mpiasa fa miisa 900 eo ny mpiasan’ny Kaominina, nahoana izy 250 ireto ihany no tsy nahazo ny anjarany. 30.000 Ar isan’olona izany vola solon-gisa izany, ka raha atao ny kajy dia mitentina 7.500.000 Ar io vola tsy voazara io izay tsy fantatra na mbola misy na efa lany. Milaza ireo fa raha mitaky ny anjara volany izy ireo dia fandrahonana no azo ka miahiahy izy ireo sao nisy nanodinkodina ny volan’izy ireo. Raha nanontaniana mikasika ity raharaha ity ireo mpiara-mitantana anatin’ny delegasiona manokana dia samy milaza ho tsy mahalala izany avokoa nefa samy niteny kosa fa efa voasonia niaraka tamin’ny karaman’ny mpiasa ny vola solon-gisa ny famoahana ny vola ka tokony ho efa samy nahazo ny anjarany ny mpiasa tsirairay. Milaza ny hiverina hitokona ireto mpiasa 250 ireto raha tsy omena azy ato ho ato ny volany.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison FĂ©lix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT