Kandida solombavambahoaka ao Ambositra

> Nifanaiky fa hifanaja sy handala ny fihavanana


  • Alarobia 27 Novambra 2013


Navorin’ny fikambanan’ny FATARA na Farimbon’asa Tompon’Agnarandray Rehetra ao Amoron’i Mania notarihin’ny Hazomanga zokiolona sy Ampinga sy notsofina rano tao amin’ny biraon’ny Kaominina Ambositra-II omaly talata 26 novambra ireo kandida hirotsaka hofidina ho solombavambahoaka miisa 28 mianadahy ao Ambositra. Noho ny fahatsapan’ity fikambanana ity fa hafana ny raharam-pirenena sy ny resaka pôlitika ato ho ato ka mety hisy ny tendrom-po tsy mba namana mety hataon’ireo kandida na mpanohana azy mandritra ny fampielezan-kevitra ka hampiady no anton’izao fampiantsoana izao ka nanomezan’izy ireo toro-hevitra sy fananarana hametrahana ny soatoavina malagasy (fihavanana, fifanajana, firaisankina) hisorohana izany. Tanjona iraisana ny fampandrosoana ny Faritra sy ny firaisankina anaty fahasamihafàna ka hahafahan’ny rehetra mandray anjara. Nanao sonia ny fehin-kevitry ny fihaonana ireo kandida tonga tao. Niatrika ity fihaonana ity ny filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, ny Jeneraly Rasolosoa Dolin, kandida 16 tamin’ireo 28 tao Ambositra no tonga niatrika ny fihaonana.

 

Rado

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT