Kandidŕ Rakotomalala Rija

> Dada 100% ary manohana an’ny Dr Robinson Jean Louis


  • Sabotsy 30 Novambra 2013

Fifaninanana masina ity hatrehana mandritra ny 20 andro ity, hoy ny kandidŕ Rakotomalala Rivoniaina Rija ao amin’ny Boriborintany III eto Antananarivo Renivohitra, tao anatin’ny lahateny fohy nataony tetsy amin’ny Foibe toeran’ny fampielezankevitry ny VAMI (Vahoaka Miray) etsy Behoririka izay notokanana ofisialy omaly zoma 29 novambra andro voalohan’ny fampielezankevitra ho solombavambahoaka sy filoham-pirenena mitambatra.

Miaraka amin’i Dada 100% izahay, hoy izy, ary tsy mbola niova tamin’ny foto-kevitra fitakiana ny hampodiana azy an-tanindrazana notakiana tamin’ny tolona natao hatreny Ambohijatovo sy ny Magro Ankorondrano sy Behoririka. Tsy mankasitraka ny fanonganam-panjakana mihitsy izahay, hoy Rakotomalala Rija, ka izao mirotsaka hofidiana solombavambahoaka izao hamerina ny fanjakana ara-dalàna sy hametraka koa ny lalàna marina hoentina mampandroso ny vahoaka sy ny firenena malagasy. Ambaranay etoana, hoy ny kandidà Rakotomalala Rivoniaina Rija (n°7) fa manohana ny kandidà Robinson Jean Louis izahay amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena fihodinana faharoa ary hanao izay hampandany azy. Nialoha ny niondranan’ity kandidà ity sy ny mpiray lisitra aminy ary ireo mpomba azy tamin’ny fiarabe voaravaka nitety ny Boriborintany fahatelo dia fanompoam-pivavahana fohy no natao tao amin’ity QG vaovao ity.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT