Kandida Michel Ambalavato

> Manakaiky ny vahoaka hatrany


  • Zoma 13 Desambra 2013

Niara-niombon-kafaliana tamin’ny filoha Marc Ravalomanana ny kandidà depiote Michel Ambalavato sy ny ankolafy Ravalomanana nanolotra azy ao Antsirabe, omaly 12 desambra, nandritra ny fankalazana ny faha-64 taonan’i Dada.

Nandritra izany no nanamafisan’ny filoha Ravalomanana fa na dia betsaka aza ireo milaza fa miaraka amin’ny movansy Ravalomanana dia manana ny kandidà natolony ho an’ny vahoaka ny tenany ka i Michel Ambalavato izany ho an’Antsirabe voalohany. Nentanin’i Dada ny mpifidy sy ny mpanohana azy mba hanao ezaka bebe kokoa hatrany amin’izao faramparan’ny fampielezan-kevitra izao. Raha vitantsika ny mampandany ny kandidà Dr Robinson Jean Louis, hoy izy dia tsy ho ela akory ny fankatoavan’ny firenen-dehibe antsika, ka sady mifidy ny kandidà laharana faha-33 ho filoha isika dia i Robinson no mifidy an’i Michel Ambalavato laharana 25 ho depiote ao Antsirabe I. Nanohy ny fitetezana Fokontany ny Kandidà Michel taorian’izay satria aminy dia ny vahoaka no andriamanjaka ka dia ny fanatonana azy ireo no tena himasoany amin’izao fampielezan-kevitra izao ahafahana mitafa sy mifandinika amin’ny mahasoa azy ireo.

Caïus Raharison


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT