Kandidŕ depiote Boriborintany I

> Nisy namono Ramamibe lohalisitry ny MDM


  • Alatsinainy 18 Novambra 2013

Nisy nitifitra tao amin’ny trano fivoahana teo an-tokotanin’ny trano fonenany etsy Ambodin’Isotry, ny sabotsy 16 novambra tamin’ny 8ora sy sasany alina ka maty tsy tra-drano, Rakotobe Mamison Antonio Victorio na Ramamibe mpitarika ny MDM ao Ambodin’Isotry ary lohalisitry ny kandidŕ ho solombavambahoaka amin’ny fifidianana hotontosaina ny 20 desambra ho avy izao ao amin’ny Boriborintany voalohany eto Antananarivo Renivohitra.

Tifitra telo teo amin’ny handriny ary iray hafa teo amin’ny tratrany no nahafaty azy, araka ny fitantaran’ny fianakaviany. Ny iray tamin’ireo izay niditra teo amin’ny tetamasony dia tafavoaka tany amin’ny faritra aorian’ny lohany mihitsy. Araka ny fitantaran’ny fianakaviana ihany dia samy naheno poa-basy tany ivelan’ny trano ry zareo saingy tsy nisy nanampo na inona na inona loatra fa nihevitra izany ho polisy manenjika jiolahy toy ny mahazatra amin’ny elakela-trano. Ny zanany lahy iray 18 taona saika hanatitra taratasy hifafan-drainy no nahatazana ny olon-dratsy teo ambaravaran’ny gabone ary nitsambikina nihoatra ny tambohon’ny trano avy eo saingy raiki-tahotra ka nitampify teo amin’ny zorontrano maizimaizina vao niakatra niverina tany ambony rihana vao avy nidinany avy eo. Efa-dahy ireo olona tazany nandositra ireo, araka ny fitantarany ary ny manodidina koa dia nanamarika fa efa nahita tovolahy efatra nihaodihaody ny tanàna ny takarivan’io sabotsy io. Mahavelom-panontaniana ny mpiara-monina ihany ity vono olona niniana natao ity satria Itompokolahy Ramamibe dia tsy mba nanam-pahavalo teo amin’ny faritra nonenany sy ny faritra iva nifaneraserany tamin’ny olona marobe mihitsy. “Dia ho antony politika ve sanatria no namoana azy ?”, hoy ny fanontanian’ny maro, fa efa ela nitakosona tanaty politika mantsy izy fony fahavelony. Fantatra fa amin’ny alarobia izao no hanatanterahana ny fandevenana ny nofo mangatsiakan’Itompokolahy. Eo am-piandrasana izany dia efa mandeha ny famotorana ataon’ny manampahefana. Olona iray hatreto no heno fa efa voasambotra mikasika ity raharaha ity.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT