Kandida depiote ao Toamasina

> Nisy namaky ny tranony, lasa avokoa ny entana rehetra


  • Alatsinainy 25 Novambra 2013

Kandida iray hirotsaka ho solombavambahoaka ao Toamasina I avy amin’ny fikambanana VITAL fampandrosoana, no niharan’ny fandrobana sy halatra ny tranony ao Tanamakoa raha iny lasa nivavaka iny izy mianakavy.

Trano efa nivoha sy babangoana no hitan’izy ireo tamin’ny fiverenany, nefa milaza ho tsy nahita na inona na inona ireo olona manodidina. Tsy fantatra na misy ifandraisany amin’ny maha kandida azy ho solombavambahoaka ny zava-nitranga, satria anisan’ny kandida atahorana handrombaka toerana iray amin’ny toeran’ny depiote ao Toamasina I ny mpitarika ny lisitra no sady filohan’ny VITAL fampandrosoana, Mananjara James Antonio, ka nanaovana izao hasomparana izao mba hanakorontanana ny fanomanany ny fampielezan-kevitra hanomboka ny zoma izao. Tsy nisy niangana ny tao an-trano rehetra hatramin’ireo fitaovana entina hanomanana ny fampielezan-kevitra dia nanjavona avokoa nandritra ny halatra. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha ka ho hita eo ny ho tohin’ny fanadihadiana. Nilaza i Mananjara James Antonio fa tsy hahasakana azy antsonjay atao amin’izy ireo izao.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT