Efa fantatra daholo ireo datim-panadinam-panjakana ofisialy amin’ity taom-pianarana 2013-2014 ity. Hisokatra miaraka ny alatsinainy 27 janoary 2014 izao kosa ny fandraisana ireo antontan-taratasy fisoratana anarana ho fandraisana anjara amin’ny fanadinam-panjakana CEPE sy Bakalorea.
Ho an’ity farany dia haharitra hatramin’ny 14 martsa 2014 ny fe-potoana fandraisana izany. Ity telovolana faharoa ity rahateo no herin’ny taom-pianarana ho an’ireo mpianatra rehetra amin’ny ankapobeny fa indrindra indrindra ho an’ireo hiatrika fanadinam-panjakana ahazoana diplaoma afaka volana vitsivitsy. Mbola eo am-piandrasana ny valin’ny fametraham-pialan’ny lehiben’ny Ofisim-pirenena misahana ny fikarakarana ny fanadinana bakalorea, Ravelomanantsoa Solofo moa ny rehetra amin’izao fotoana izao satria tsy mbola nisy aloha hatreto ny fanapahan-kevitra fanendrena tompon’andraikitra vaovao, hoy ny filohan’ny oniversiten’Antananarivo Ramanoelina Panja. Raha namintina ny fitantanany ny ofisin’ny bakalorea nanomboka tamin’ny taona 2008 hatramin’ny 2013 moa ity tompon’andraikitra ity dia fantatra fa nitombo avo roa heny ny isan’ny kandida mpianatra tao anatin’ireo elanelam-potoana ireo. Tsy nisy akony loatra tamin’ny fizotran’ny fanadinana ny fitarozahan’ny krizy, hoy ny tenany.
Tsy lavina kosa ny korontana kely teo amin’ny lamina napetraka vokatr’ireo fitakiana nataon’ireo mpanabe sy mpitsara fanadinana nandritra ny sedra tamin’ny taona 2012, hoy ny fanampim-panazavany. Mbola misahana ny fandraisana ireo antontan-taratasy miaraka amin’ny saram-pisoratana anarana vaovao manomboka amin’io herinandro io ka hatramin’ny tapaky ny volana martsa 2014 aloha ity lehiben’ny sampandraharahan’ny ofisim-pirenena mikarakara ny bakalorea ity mandra-piveriny mampianatra ny taranja fizika nokleary eny Ankatso. Tsara ny mampahatsiahy fa fampianarana teknika no hisantatra ireo sedra ny 11 hatramin’ny 14 aogositra izay arahin’ny fampianarana ankapobeny ny 18 hatramin’ny 22 aogositra.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.