Tapaka tanteraka nanomboka ny alakamisy 06 febroary teo ny lalam-pirenena faha-35 mampitohy an’Ivato-Centre Distrikan’Ambositra hatrany Ambatofinandrahana, vokatry ny fihotsahan’ny fiara kamiao lehibe iray nitondra hazo mavesatra milanja 35 taonina. Niala avy any Antsahakely saika hiakatra ao Ambositra ity fiara vaventy ity izao niharan-doza nanimba ny tetezana ao Anjoman’Akona izao. Tsy nisy ny naratra sy aina nafoy nandritra ny loza. Vokatry ny tsy fanajana ny vesatra tokony ho zakan’ny tetezana no nahatonga izao loza izao satria tsy mahazaka fiara mitondra entana mihoatra ny 15 taonina ity tetezana ity nefa nandehanan’ny kamiao mitondra entana 35 taonina noho ny gaboraraka. Misy fiantraikany amin’ny mponina mivezivezy amin’ny lalam-pirenena faha-35 iny, araka izany, izao fahatapahan’ny lalana satria miakatra ny saran-dalana, lasa nisy tsena vetivety teo eo amin’ity toerana nisehoan’ny loza ity noho ny fisian’ny fifampitana entana sy olona. Tsy mbola misy rahateo ny fivilianan-dalana azo atao. Miandry fanarenana maika ity tetezana ity ny vahoaka ao amin’ny faritra Amoron’i Mania.
Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.