Joseph Yoland

> Nahazo fahafahana vonjimaika


  • Alarobia 27 Novambra 2013

Nampiantso ny mpampahalala vaovao tampotampoka tao amin’ny Motel Anosy omaly hariva ny avy ao amin’ny fikambanana Matsilo sy ny mpiara-dia aminy.

Tamin-kafaliana no nilazan’ny mpisolovavan’ny mpikambana tao amin’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita Joseph Yoland na i Mômy fa nahazo fahafahana vonjimaika teo anivon’ny fitsarana ny olona arovany. Ny 20 novambra 2013 teo no niatrika ny mpitsara mpanao famotorana i Joseph Yoland noho ilay fitsaram-bahoaka ka nandoran’ny olona velona vazaha roalahy tany Nosy ny fiandohan’ny volana oktobra. Nangataka ny homena fahafahana vonjimaika ity mpanao politika ity. Ny 24 novambra teo no nivaly io fangatahan’izy ireo io ary dia efa eny anivon’ny fianakaviany ny lehilahy ankehitriny, miandry ny fitsarana azy. Manamafy ireo manodidina azy sy ny mpisolovava azy fa tsy misy idiran’i Mômy velively io raharaha io. Etsy andanin’izany dia mangataka ny filohan’ny fikambanan’ny zanak’i Nosy-Be eto Antananarivo mba hamerenana ireo olona avy any Nosy Be izay notanana am-ponja ao Antanimora mba ho any amin’ny tany niaviany satria izy no mandray an-tanana ny fanaterana sakafo sy ny sisa ho azy ireo vokatry ny mahalavitra fianakaviana azy ireo.

 

 

 

Nofy R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT