Actualités

Joseph Akiva Karana no miaro azy


  • Alarobia 25 Janoary 2012

Miha mazava ny resaka mikasika an'i Joseph Akiva ilay teratany Israelianina voalaza fa mpikaramanady.

 Araka ny loharanom-baovao omaly dia Karana mpanefoefo iray ary namana akaiky ny mpitondra FAT no nifampiraharaha tamin'ity teratany vahiny ity mba ho tonga eto Madagasikara. Tsy misy resaka politika araka ny fantatra ny fifanarahan'izy ireo fa fampiasam-bola tahaka ny mahazatra ny vahiny rehetra. Fantatra tamin'ny famotorana ity Israelianina ity ihany koa anefa fa nisy resaka fiarovana ny seranam-piaramanidina ny resaka nifanaovany tamin'io Karana mpanefoefo io.

Anisan'ny nantsoina eny amin'ny polisy misahana ny heloka bevava io Karana io hatry ny afak'omaly kanefa tsy nipoitra. Tokony ho omaly no natolotra ny Fampanoavana ity teratany vahiny ity saingy tsy tanteraka izany noho ny antony tsy fahavitan'ny fakana ambavany ireo olona sasany. Isan'izany ity Karana mpanefoefo ity. Isan'ireo efa nofotorana ny sakaizan'ity teratany vahiny ity ary nosavaina mihitsy ny tranony teny Ampefiloha saingy tsy nahitana inona. Hatry ny omaly dia tsy misy singa na iray aza hita milaza fa mpikaramanady ity Israelianina ity. Ny hany hita tany aminy nandritra ny fisamboran’ny DST azy ny alin'ny 20 janoary teny amin'ny hotely Carlton dia “porte clé” sy “stylo enregistreur” mbola vaovao. Nahitana taratasy iray avy amin'ny Aviation Civile de Madagascar ihany koa tany aminy izay nitondra ny laharana 646-PRMP/SRS tamin'ny 3 aogositra 2010, izany hoe nomen’izao fitondrana izao alalana hiditra eto izy, ka maninona no vetivety eo no ambara fa mpikaramanady rehefa ho avy ny filoha Marc Ravalomanana. Raha izay rehetra izay no zohina dia tsy hisalasalana fa havotsotra ity teratany vahiny ity. Ny any ambony ihany mantsy no nanafatra azy sy nifampiraharaha taminy kanefa izao izy nosamborina izao. Ho hita eo ny tohiny.

Neta

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT