Jly Rasolosoa Dolin

> “Tsy manohana kandida fa manaja ny safidim-bahoaka”


  • Alakamisy 28 Novambra 2013


Nandritra ny fihaonan’ireo kandida solombavambahoaka nokarakarain’ny FATARA tao Ambositra ny talata 26 novambra lasa teo no nitondran’ny filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, ny Jeneraly Rasolosoa Dolin tamin’ny mpanao gazety ny heviny mikasika ny fanohanany na tsia ireo kandida filoham-pirenena roalahy sy ireo kandida solombavambahoaka ao Ambositra. Nambarany fa anisan’ireo filohan’ny andrim-panjakana eto amin’ny firenena ny tenany ka manaja ny voarakitry ny tondrozotra amin’ny tsy tokony hanohanana olona mpilatsaka hofidina fa mipetraka ho tsy momba ny atsy sy ny aroa mandrapahavitan’ny fifidianana. Izay sitraky ny vahoaka maro an’isa no hajainy sy arahabainy satria sarobidy ny safidim-bahoaka. Momba ny antony nisintonany ny filatsahan-kofidiany tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany teo dia niaiky izy fa anisan’ireo manampahefana niisa 109 nosazian’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ka raha lany teo ny tenany dia tsy hahazo fankatoavana i Madagasikara, ka naleony niala an-daharana tsy ho kandida mba ho tombon-tsoam-bahoaka.

 

 

 

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT