Jly Imahagaga

> Tsy handefitra amin’ny polisy mamo lava sy mpiditra Bar


  • Alatsinainy 06 Janoary 2014

Nanome toromarika an’ireo polisy tao Toamasina ny Jly Imahagaga mpitarika ny hetsika manokana “Opération saka mainty”, hamerenana ny filaminana ao an-toerana.

Hentitra ny tenany nilaza fa tsy andeferana ny polisy mamo lava sy mpiditra ‘Bar’. Manimba ny hasin’ny polisim-pirenena ireny ka tsy ny ataon’ny iray na maromaro no hanaratsy ny polisy Malagasy. Nohamafisiny ihany koa fa na ho inona ny mety haratsiam-panahin’ny polisy eo am-panaovana ny asany dia asam-panjakana no ataony ka mila hajaina sy arahina satria tsy azo ekena ary tsy maintsy enjehina eny anivon’ny Fitsarana ireo midaroka polisy manao ny asany, na iza io na iza”. Raha tsiahivina dia olona iray no naiditra am-ponja ny 02 janoary teo vokatra ny fidarohana polisy. Nametraka hafatra maromaro mba hohajaina koa ny tenany, anisan’ireny ny fampiasana ny balam-panjakana amin’ny fanapoapoahana fahatany azy ireny amin’ny tsy antony. Aleo mandatsaka jiolahy raindahiny toy izay mahita polisy maty am-perinasa. Iny mantsy mbola ho tratra ihany tsy ho ela, hoy izy. Tsy azo ekena intsony ny fandratrana olona samborina izay anisan’ny manaratsy ny asan’ny polisim-pirenena, hoy hatrany Jly Imahagaga.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT