Actualités

Jirama Nampiteny ny moana


  • Alarobia 15 Febroary 2012

Tamin’ny 1, 2, 8 maraina no nanomboka tapaka ny ankamaroan’ny jiro teto an-drenivohitra sy Antsirabe ka hatrany Itasy any omaly.

 Nisy tafaverina ihany ny tolakandro, saingy nanimba fitaovana izany tamin’ny faritra sasany toy ny teny Ifarihy Ankaraobato, nisy kosa anefa ary tsy vitsy ireo niaina anaty haizina, ka nampiteny ny moana mihitsy. Nambaran’ny Jirama fa tsy voatombana hatreto ny tentim-bidin’ny fahasimbana. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra amin’ny serasera eo anivon’ny Jirama dia efa manomboka mijery ireo fahasimbana izy ireo ary nanamboatra koa izay azo amboarina. Sarotra amin’ity orinasa ity raha ny fanazavana nomeny ihany ny hiteny fotoana hahavitan’ny fanamboarana rehetra.

Maimaimpoana anefa ny fanamboarana fa tsy misy sarany. Ankoatra izay dia tsy vitsy ireo mpanjifa nimenomenona fa tsy mandray antso maika na ny laharana maitso izy ireo. Izany dia vokatry ny fahatapahan’ny herinaratra sy ny fahabetsahan’ireo mpanjifa mitaraina. Raha ny fanazavan’ny minisitry ny angovo, Razafindroriaka Nestor, dia nisy fahatapahana ny tambajotra mitondra herinaratra avy any Andekaleka, ka nitarika fahatapahan-jiro teto an-drenivohitra sy ny manodidina hatramin’ny talata vao maraina. Nananosarotra koa ny fifandraisana, noho ny fahatapahan’ny tambajotram-pifandraisana tamin’ireo toerana nisian’ny fahasimbana fitaovana. Nampanantena ny minisitra fa anio ihany na farafahatarany rahampitso maraina dia hiverina amin’ny laoniny ny famatsiana herinaratra.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT