Raharaha mafana nitsena ny ekipan’ny praiminisitra Beriziky ny olan’ny famatsiana jiro.
Tsy maintsy niasa sabotsy mihitsy ity farany niaraka tamin’ny minisitry ny angovo sy ny mpiara-miasa any teny Mahazoarivo hitady ny vahaolana faran’izay haingana hampanginana ny fimenomenon’ny vahoaka. Nambaran’ny Tale jeneralin’ny Jirama, Rasidy Désiré fa efa mihodina ireo milina mpamokatra ny tanjaky ny herinaratra ka tokony hiverina amin’ny laoniny ny famatsiana jiro eto an-drenivohitra.
Ny tsy fahampian’ny rano isintonana angovo amokarana herinaratra sisa no mety mitarika fahatapahan-jiro raha mbola misy izany. Nanamarika kosa ny minisitry ny angovo Razafindroriaka Nestor fa anisan’ny hamaha amin’ny ampahany ny olan’ny jirama ny fahazoana avy amin’ny ministeran’ny vola ny trosan’ny Jirama amin’ny fanjakana mitentina 75 miliara ariary. Amin’ity anio ity no nambarany fa hanatontosana ny fanaovan-tsonia momba io eo aminy sy ny minisitry ny vola. Tsy ho azo indray mandeha anefa ilay bolongam-bola fa homena tsikelikely. Na izany aza dia nampanantena ny minisitra araka ny efa nambarany tamin’ny nandraisany ny fitantanana ity ministera ity fa tokony ho nofy ratsy sisa izany resaka delestazy izany amin’ny taom-baovao. Mandritra ny fivorian’ireto tomponandraiki-panjakana ireto teny Mahazoarivo io sabotsy 03 desambra io anefa dia Fokontany maro teto an-drenivohitra no tsy nanana rano. Anisan’ny niharan’izany nanomboka ny maraina ny faritra tanàna ambony manomboka teny Ambondrona, Faravohitra …
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.