Tranga tsy mbola fahita no niainan’ireo mpitsabo tao amin’ny hopitaly be sy ireo polisy manao ny “Opération Saka Mainty” ao Toamasina ny alin’ny 31 desambra 2013 lasa iny.
Jiolahy voatifitra tamin’ny lalana lycée teknika izy io ary efa nolazain’ny mpitsabo fa maty nandritra ny fitondrana azy teo anivon’ny hopitaly be, nefa mbola tafatsangana ary tonga tany an-tranon’ny ray aman-dreniny ao Mangarivotra Atsimo. Ireto farany no nanatitra azy teny anivon’ny hopitaly be sy nanaisotra ireo “ody gasy” nisitrika tao anaty lambany sy niafina tao anatin’ireo firavaka nanaovany. Taorian’izay vao nandeha ny ra tamin’ireo ratrany ka nanomboka niala ny ainy. Tsy ity jiolahy ity ihany no voatifitra tao Toamasina ny 30 sy 31 desambra lasa iny, fa nisy koa ireo namany niisa roa, ny iray teo amin’ny lalana lycee teknika ihany ary ny faharoa tao Tanamakoa. Mbola nahatrarana basy PA tamin’ireto jiolahy voatifitra ireto. An-kilan’ireo, dia jiolahy 23 no voasambotra noho ny vaovao nomen’ny mponina. Ny fito amin’ireo efa nifampitadiavana sy efa voafonja lava noho ny asa ratsiny sy fikambanan-jiolahy, anisan’ireny i Nino nanafika ny orinasa “La Hutte Canadienne” ao Tanambao.
Voasambotra koa ilay nanafika ny orinasam-piambenana GPS ao Tanamakoa raha efa maty voatifitra tany aloha ny namany roa, ireo jiolahy 02 mpanafika ireo “kiosque Telma” ary ireo jiolahy 02 nanendaka ny Talen’ny filaminana anatiny ao Toamasina ka nahavery ny basiny sy ny volany. Raha ny fanazavan’ny Jly Imahagaga mitarika ny FIP manao ny “opération” ao Toamasina, dia tovolahy tsy ampy taona manodidina ny 14 – 17 taona avokoa ny 18 tamin’ireo jiolahy miisa 23 tratra ireo, ary ny ambiny dia manodidina ny 20 taona eo. Ankoatra ireo, teo anivon’ny kaomisaria misahana an’i Toamasina renivohitra, araka ny fanazavana nomen’ny kaomisera Ramananandro Alexandre Gabriel, dia niisa 10 ny antso vonjy noho ny asan-jiolahy voarain’izy ireo ny faran’ny taona. Nahatratra 21 kosa ny fisamborana natao ka manodidina ny 16 – 20 taona avokoa ireo tovolahy tratra izay mbola nahitana zava-maranitra sy fitaovana famakiana trano samy hafa ihany koa tany amin’izy ireo.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.