Saron’ny Polisin’ny UIR na (Unité d’Intervention Rapide), omaly maraina, ny roa tamin’ireo efa-dahy mandrafitra ilay andian-jiolahy mitam-basy antsoina hoe “Bande des 04” mandravarava ao Toamasina tao ho ao.
Nanafika olona avy naka vola tamin’ny banky, handoavana karaman’ny mpiasa amina orinasam-piambenana iray tao Tanamakoa, ireto jiolahy ireto omaly maraina. Lasan-dry zalahy tamin’izany ny 06 tapitrisa Ariary. Nanara-dia ihany ireo mpiasa saingy tsy nahitam-bokany. Nametraka fitoriana teny anivon’ny polisy izy ireo. Nisy polisy nahita anefa ilay fanafihana ka io no nampandre ireo namany ary nandraisan’ny UIR fepetra nandefa andiana polisy nitety ireo faritra heverina fa fieren’ny jiolahy. Nandritra izany no nahitana ireto jiolahy tao Morarano niaraka tamin’ny moto BW’S miloko mena. Raikitra ny fifanenjehana. Efa teo am-panapoahana basy ireto jiolahy saingy tsy nipoaka izany, ka nanomboka teo ny fifampitolomana teo amin’izy ireo sy ny polisy, izay nahatrarana an’i Jean Charles ilay nitifitra sy i Malama izay efa gadra lava. Tafaporitsaka kosa ny roa hafa. Tratra tany amin’ireo ny basy “revolver” iray sy basy PA iray, miaraka amin’ny bala. Voalazan’ny polisy fa tafaverina ny vola lasan’ireto jiolahy. Nilaza kosa ny tao amin’ny orinasam-piambenana fa ny antsasaky ny vola ihany no tafaverina. Araka ny loharanom-baovao hafa dia basy fampiasan’ny zandary ilay basy “revolver” tratra. Ho hita eo ny tohiny.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.