Jery todiky ny taona 2013

> Nitombo isa ny nahantra, nanjaka ny fitsaram-bahoaka sy ny fandrobana


  • Alatsinainy 30 Desambra 2013

Tsy olon-dia ny Malagasy.

Mbola mitana ny sain’ny maro ny firongatry ny asan-dahalo any atsimo. Ny asan-jiolahy amin’ny faritra maro eto amintsika. Niavaka tamin’ny firongatry ny fitsaram-bahoaka niseho tamin’ny endriny maro tamin’ity taona 2013 hivalona rahampitso ity, toy fandorana olona velona tany Nosy-Be ny volana oktobra. Dahalo roa no lasa lavenona nodoran’ny olona ampahibemaso tany Tsararivotra Ambositra, ny volana jolay. Tany Tsihombe Androy, dahalo telo no maty niharan’ny fitsaram-bahoaka,  ary mbola nodorana koa ny razana avy eo, ny volana jona lasa teo.

 

 

Fanamparam-pahefana

 

 

Ny volana jona ihany. Vaky trano, famakiana fiara niharo halatra no nitranga teny Ambanilalana Itaosy tamin’ny trano fonenan’i Lahiniriko Jean izay voalaza fa namono olona iray sendra nandalo ny mpiambiny ka nandrehitra ny fitsaram-bahoaka. Raha tsy ny Emmo/Reg dia zava-doza no niseho. Niharan’ny fitsaram-bahoaka ihany koa ny mpiambina manokan’ny Pasitera Mailhol teny Ambohipo, noho ny fanamparam-pahefana diso tafahoatra, ny volana marsa. Niafara tamin’ny daroka sy ny fandorana ny fiaran’ny Apokalypsy ny tantara. Niharan’ny tora-bato hatramin’ny mpitondra fanjakana noho ny raharaha famonoana masera tany Mandritsara, ny volana martsa. Noho ny hatezeram-bahoaka tamin’ny Jirama vokatry ny delestazy tany Mananara Avaratra ny volana mey teo, dia tratran’ny sakana sy tora-bato ny fiaramanidina nitondra ireo minisitra. Lasibatry ny hatezeram-bahoaka ihany koa ny Jirama tao Ampanefana tamin’ity desambra ity. Norotahin’ny olona ihany koa izay manorisory sy manakatsakana azy, toy ny zandary, polisy hatramin’ny fonja, . . .

Fandrobana, vono olona, valala. . .

 

 

Nandravarava ireo jiolahy mpanakan-dalàna tamin’ny lalam-pirenena. Banky telo voatafika teto an-drenivohitra, toy ny BOA teny Sabotsy Namehana sy Talatamaty, ny Access Bank Andraharo. Tranombarotra maro, karana, sinoa hatramin’ny fiara mpitondra vola no voatafika tany Toamasina. Mpanao Kidnapping telo voatifitra teny Antanimora. Farany teo, teny Ambohimailala, vonoan’olona mampihoronkoditra nahafatesana telo mianadahy, izay polisy ny iray. Nanamarika ny taona ihany koa ny fakana an-keriny ny talen’ny orinasa Fraise Ankorondrano. Fehiny : noho ny fahantrana sy ny kolikoly no anisany nampirongatra ny asa ratsy samihafa teto amintsika tamin’ity 2013 ity, ka nampitombo isa hatrany ny maty sy ny nihamahantra noho ny goragora sy fitiavam-bola sy seza diso tafahoatra. Toliara mbola betsaka ireo fotodrafitrasa ravan’ny rivodoza “Haruna” tsy tafarina, ny firongatry ny valala sy ny hafanana be loatra izay mampihena ny famokarana. Asa hanao ahoana ny taona 2014 ? Ho tan-dalàna amin’izay ve ka hiverina ny fahatokisan’ny vahoaka ireo mpitandro filaminana sy ny ao amin’ny fitsarana ?

 

E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT