Actualités

Jeneraly Ravalomanana Nifamonjena teny amin’ny hopitaly miaramila ny ainy


  • Zoma 07 Oktobra 2011

Maloka omaly ny andro ho an’ny lehiben’ny zandarin’Ankadilalana sady lehiben’ny zandary eo anivon’ny faritra Analamanga.

 Torana nandritry ny hazakazaka vao maraina nataony ny Jeneraly Ravalomanana Richard. Loharanom-baovao akaiky ny zandary no nilaza fa vokatry ny harerahana no mety nitarika ity fahavoazana tampoka ity. Nentina novonjena faran’izay haingana teny anivon’ny hopitaly miaramila etsy Soavinandriana ny Jeneraly Ravalomanana Richard. Nampidirina tao amin’ny sampana fameloman’aina izy ary hatramin’ny ora nanoratanay omaly dia mbola nitohy ny fitsaboana azy tao. Efa afaka mihetsika izy. Izay ihany ny vaovao farany azo teo anivon’ny hopitaly. Volana vitsivitsy nialoha izao dia niato kely tamin’ny asany ity manamboninahitra ambonin’ny zandarimaria ity ary nivoaka tany ivelany, tao amin’ny nosy La Réunion mba hitsabo tena.

Ny re momba izay dia hoe taizan’ny aretim-po ny tenany ka mila fitsaboana manara-penitra. Hita ho efa niverina tsara ny ainy tamin’ny fiverenany nandray indray ny andraikiny amin’ny maha lehiben’ny Emmo-Reg azy. Mafy loatra angamba ny asa mianjady tato ho ato, dia io saika nidiran-doza tampoka io raha sendra mba hanatanja-tena vao maraina, hikolokolo ny fo ary hanatsara ny fikorianan’ny ra. Ny Jeneraly Ravalomanana dia anisan’ny andrin’ny fitondrana tetezamita. Tsy misalasala izy ny miditra an-tsehatra amin’izay mety lazainy ho fanohintohinana mitranga. Tsy mihemotra amin’ny heviny izy raha vao ny fitondrana tetezamita, izay nanome ny mariboninahitra Jeneraly azy rahateo, no voatohintohina. Raisin’ny sasany ho fiverenana amin’ny jadona ny fandraisany andraikitra vokatr’izany firehana izany.


Gaby

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT