Actualités

Jeneraly Ravalomanana Nalefa notsaboina any La Réunion


  • Alatsinainy 10 Oktobra 2011

Ny tolakandron’ny sabotsy 08 oktobra teo no nanainga ny fiaramanidina nitondra ny Jeneraly Ravalomanana Richard ho atsy amin’ny nosy La Réunion, firenena izay hitsaboana azy indray.

 Tsy azo hamaivanina, arak’izay filazan’ny avy etsy amin’ny Toby Ratsimandrava, ny nanjo ity Jeneraly fanta-daza ity, matoa izy nalefa notsaboina any ivelany. Amin’izay indray faran’izay haingana, satria iray andro monja taorian’ny voina nahazo azy ny zoma lasa teo. Raha hiverenana dia nandritry ny hazakazaka no torana tampoka ny Jeneraly Ravalomanana. Nentina avy harany teny amin’ny hopitaly miaramila etsy Soavinandriana izy mba ho fanavotana ny ainy.

Efa nifandimby nifamezivezy teny avokoa ireo manamboninahitra ambony miaramila sy zandary. Teo ihany koa ny manampahefana sasantsasany eo anivon’ny FAT. Mazava mantsy fa anisan’ireo andry iankinan’ny FAT ity Jeneraly iray ity ka tsy ho hain’izy ireo ny hitazam-potsiny ny fahavoazana. Fanindroany izany izao ny Jeneraly Ravalomanana no notsaboina tany ivelany. Tamin’ny voalohany izy dia nandeha irery nitsabo tena, izao kosa izy dia voatery nalefa any noho ny fahavoazany tampoka.

Gaby

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT