Niangona teny amin’ny fiangonana FJKM Ambohimanga Rova ny alahady 16 oktobra lasa teo ary nanatrika «rassemblement» teny amin’ny tobin’ny zandary etsy Fiadanana izay tarihiny rahateo, omaly alatsinainy.
Niverina tamin’ny endrika miramirana ny Jeneraly Richard Ravalomanana na dia hita ho mbola reradreraka aza. Raha ny fantatra teo anivon’ny loharanom-baovao akaiky ny zandary dia avy hatrany dia niatrika ny asa aman-draharaha niandry azy izy omaly. Mbola maro rahateo ny andrasan’ny mpitondra an’ity Jeneraly mafana fo ity, indrindra amin’izao vanim-potoana somary mihazakazaka avy amin’ity governemanta rava omaly ity. Ny herinandro lasa teo izy no niankarapoka nandritry ny hazakazaka bemiray. Nalefa tany amin’ny hopitaly tetsy Soavinandriana ary nitohy tany Maorisy avy eo. Ny sabotsy izy no niverina teto an-drenivohitra ary avy hatrany dia nanatrika fotoam-pivavahana tany Ambohimanga-Rova izay fiaviany rahateo.
Gaby
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.