Actualités

Jeneraly Ravalomanana Ao Maorisy indray no tsaboina


  • Talata 11 Oktobra 2011

Tsy ao amin’ny nosy La Réunion arak’izay nambaran’ny haino aman-jery maro samihafa no notsaboina ny Jeneraly Ravalomanana Richard fa ao amin’ny nosy Maorisy.

 Raha ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ny zandary omaly dia fisafoana ara-pahasalamana toy izay fanaony matetika ity hataony ao Maorisy ity. Asa anefa aloha na fandaminana ny sain’ny maro ihany izany satria raha ny fitantaran’izay nahita dia tena voa mafy tokoa ity manamboninahitra jeneraly ity tamin’ny fotoana nitondrana azy tao amin’ny hopitaly miaramila HOMI Soavinandriana. Nisy “oxygène” sy “sérum” ary tsy nahazaka tena, raha ny filazan’ny nahita. Fitiliana marobe no indray natao tamin’ny tenany. Tsy niandry ela fa ny ampitson’ny nidirany tao dia avy hatrany dia nalefa tany Maorisy ny tenany. I Maorisy dia heverina fa efa lasa lavitra tokoa ny lafiny fitsaboana no sady tsy dia lafo ny sarany. Marobe ny olona no misafidy mitsabo tena ao, indrindra ireo manana aretim-po sy mila fandidiana avo lenta. Heverina fa anisan’ny nahatonga ny safidin’ny havan’ny jeneraly izany fepetra izany…

Samy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT