Jeneraly Jean Robert

> «Laharam-pahamehako ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana»


  • Alatsinainy 30 Desambra 2013


 

Mpiasa 150 avy ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana no notoloran’ny lehiben’ny Faritra vaovao, ny Jeneraly Jean Robert, akoho matavy, menaka, vary sy vatomamy, ho mariky ny fiaraha-mifety amin’izao Asaramanitra izao, ny sabotsy hariva teo, tao amin’ny lapan’ny faritra ao Mitsinjo Betanimena. «Ny fiaraha-misalahy no mampandroso haingana. Tokony hesorina ny toe-tsaina lomorina lavitry ny fankahalana fa tsy mahavanon-javatra. Ny firaisankina no hery ahitam-pahombiazana hoentintsika mamakivaky ny taona 2014», hoy ny hafatry ny lehiben’ny Faritra, tamin’ny vahoaka, raha nandray fitenenana ny tenany. Nampiany hoe : «Ny finiavana no tena fitiavan-tanindrazana ka ndao isika rehetra hanarina ny faritra Atsimo Andrefana manan-karena amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa matotra amin’ny vahoaka».

 

 

Asa fa tsy kabary

 

 

Nambarany tamin’ny mpanao gazety, fa tao anatiny iray volana nanendrena azy, dia efa betsaka ny asa vita hita mivaingana, toy ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy asan-dahalo izay nampalaza ratsy ny faritra hatramin’izay. Eo andalam-panamboarana ihany koa amin’izao ny fefin’ny kianja «Maitre Kira» mirefy 25 m ravan’ny rivodoza «Haruna», ny volana febroary lasa teo. Ary hiady mafy ny tenany mba hahazoana haingana ny famantsiam-bola fanampiny amin’ny fanarenana ny fefilohan’i Fiherena ravan’ny «Haruna», izay 80 %-n’ny asa no efa vitan’ny orinasa SAM’S hatramin’izao.

 

E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT