JCI Antananarivo

> Manomana adihevitra hanasana ireo kandida filoham-pirenena


  • Alarobia 04 Desambra 2013

Manamarika ity fifidianana indray mitoraka hivoahana amin’ny krizy naharitra ity ny fisian’ny adihevitra nanasana ireo kandida roa hiatrika ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena hotanterahana ny zoma 20 desambra 2013 izao.

Nanokatra izany ireo Antenimieran’ny varotra vahiny mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara. Nanaraka azy tao ny fifanakalozan-kevitra nokarakarain’ny Vondon’ireo tompon’orinasa eto Madagasikara. Vao tsy ela ihany koa dia namaly ny fanasana nataon’ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy ireo kandida na ireo solontenany namelabelatra ny fomba fijerin’izy ireo mikasika ny fampihavanam-pirenena. Fantatra ankehitriny fa manomana adihevitra hanasana ny kandida Dokotera Robinson Jean Louis sy Rajaonarimampianina Hery ihany koa ny «Jeune Chambre Internationale» Antananarivo. Miankina amin’ny fahafahan’izy mirahalahy no hanatanterahana izany eny amin’ny Antenimieran’ny varotra Antaninarenina, hoy ny filohan’ny JCI Antananarivo, Rakotoson Fanoa. Hiompana betsaka amin’ny resaka toekarena voafaritra ao anatin’ny fandaharan’asan’ireo kandida ny adihevitra mandritra io fotoana io. Fa anio alina kosa ao amin’ny haino amanjerim-panjakana ny fifandaharana voalohany eo amin’ny kandida roa tonta. Dia samy miandry ny rehetra.

 

Ramano F. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT