Actualités

Jao Jean Nandeha ny feo ny amin’ny fisamborana azy


  • Zoma 30 Septambra 2011

Omaly dia niely ny feo fa hosamborina i Jao Jean mpikambana ao amin’ny CST.

 Tany Antsohihy izay misy azy aza dia efa nisy mihitsy ny olona tonga tao an-tranony. Nilaza ireo olona ireo fa hiambina ity mpikambana ao amin’ny CST ity. Rehefa nohadihadiana anefa dia fantatra fa tsy mbola nisy ny baiko avy amin’ny lehiben’ny mpitandro ny filaminana foibe ny amin’ny fanatanterahana ilay didy fampisamborana ity olona ity. Ny any an-toerana izay tsy mahasahy mihetsika noho ny fifankalalana eo amin’ireo samy tompon’andraikitra. Nilaza mihitsy ireo lehibe sasany any Antsohihy fa tokony ho mpitandro ny filaminana avy aty an-drenivohitra na avy any Mahajanga no hanatanteraka izany fa tsy ny ao an-toerana. Mety ho sarotra anefa izany, hoy izy ireo satria mamory olona foana i Jao Jean raha vao misy ny feo henony ny amin’ny fisamborana azy. Na izany aza dia fantatra ihany koa fa miandry ny fanapahan-kevitra avy amin’ny filohan’ny FAT ny mety ho fanatanterahana ity didy fampisamborana an’i Jao Jean ity. Ho hita eo ny tohiny.

 

Mohamed

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT