Actualités

Jao Jean Karohin'ny zandary misahana heloka bevava


  • Talata 11 Oktobra 2011

Ny zandary misahana ny heloka bevava any Mahajanga no fantatra fa mikaroka mafy an'i Jao Jean amin'izao fotoana izao.

 Araka ny fantatra dia niantso fanampiana tamin'ny GSIS eny Ivato ny zandary any Mahajanga tamin'ny herinandro. Ahiana mantsy ny hitazonan'ity mpikambana CST ity basy ka izay no nahatonga ireo zandary niantso ireo namany mahafehy kokoa ny ady amin'ny olona mitam-basy. Tsy nahitam-bokany anefa ity hetsika niaraka tamin'ny GSIS ity satria ny zoma teo no efa nody aty an-drenivohitra ireo olon'ny GSIS. Ny lehiben'ny zandary any Antsohihy amin'izao fotoana izao no manao izay ho afany amin'ny fanampiana ireo zandary avy any Mahajanga. Afak'omaly dia nisy ny hetsika nataon'ny olona tao Antsohihy nanohanana ity mpikambana CST ity. Araka ny voalazan'ny zandary any an-toerana dia olona an-jatony ireo nanao fihetsiketsehana ireo ary vaviantitra ny maro tamin'izy ireo.

Mohamed

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT