Nahagaga ny maro tonga teny amin’ny seranan’Ivato, hitsena ny filoha Marc Ravalomanana ny sabotsy 21 janoary teo, ny nahita vazaha nanao fanamiana miaramila malagasy ny tapany ambany ary akanjo maivana miloko mainty ny ambony.
Nanana fitaovam-piadiana izy ireo ary 6 teo ny isany. Nampametra-panontaniana ny maro ny fisian’izy ireo teny. Nanampy ny zandary malagasy ve ? Raha nanampy dia tamin’ny lafiny inona ? Tsaroana tokoa mantsy tamin’ireny fikomiana 2009 ireny fa anisan’ny niampangana an-dRavalomanana ny filazana fa nampiditra mpikaramanady teto ny tenany raha nahita ireo vazaha nanao akanjo tsotra teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey. Ary tsy nijanona teo fa vao tsy ela akory dia nohazaina ilay mpandraharaha naman’i Tojo Ravalomanana, nolazaina fa mpikaramanady. Ary vao tamin’ny faran’ny herinandro teo no nisamborana teratany Israeliana iray tetsy amin’ny Carlton lazaina fa mbola merseneran-dRavalomanana ihany koa.
Hatreto aloha dia tsy nandrenesam-peo ny avy ao amin’ny tafika, na koa ny fanjakana nitondra fanazavana ny amin’ny antom-pisian’ireny vazaha manao fanamiana tafika malagasy teny Ivato ireny. Ho an’ny mpandala ny ara-dalàna moa dia tsotra ny resany, fa ireny no porofo fa dia mitanila ny fitondrana misy ary manao tsinontsinona ny fiandrianam-pirenena sy ny tafika malagasy ny fisian’ireny vahiny mitam-basy ireny. Filoham-pirenena voafidim-bahoaka no tonga fa tsy jiolahim-boto mpanongam-panjakana, hoy Ralaimampisainarinony Manoela. Tsy mitombina ihany koa ny filazana fa ‘instructeur’ ireny vahiny ireny, hoy Randriamamiarizafy Ignace. Raha izany tokoa izy ireny dia tsy nidina teny an-kianja sady tsy nitondra basy, hoy ihany ity mpikambana eo anivon’ny Kongresy ity. Ankoatra izay dia takian’izy ireo ny famoahana ireo rehetra nosamborina tamin’iny andro iny ka nampidirina am-ponja.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.