Actualités

Ivato Frantsay nanandevo Steward


  • Alakamisy 01 Desambra 2011

Sazy mihantona enim-bolana no nomen'ny Fitsarana ny teratany Frantsay iray nanompa sy nanandevo razan'ny Malagasy tamin'ny zotram-piaramanidina Air Madagascar ny 27 novambra teo.

 Olana teo amin'ny famoahana tavoahangy toaka tao anaty fiaramanidina no niteraka ny disadisa. Nosakanan'ilay steward mantsy ity teratany Frantsay ity satria tsy azo atao ny mamoha tavoahangy ao anaty fiaramanidina. Nalaina avy hatrany ihany koa ilay tavoahangy tany aminy. Rehefa tonga teny Ivato ilay fiaramanidina dia ompa sy fanandevozana ny Malagasy no nataon'ilay teratany Frantsay. Nitory ny orinasa Air Madagascar sy ilay steward. Omaly no natao ny fitsarana ka izao sazy enim-bolana sazy mihantona izao no azon'ilay Frantsay lahy. Afak'omaly dia nampidirina am-ponja vonjimaika ity teratany frantsay ity. Avy hatrany izy dia nihazo ny nosy Maurice taorian'ny fitsarana omaly.
Mohamed

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT