Actualités

Ivato, Ankorondrano ary Ampitatafika Nangidy ny noelin’ireo rava trano


  • Alatsinainy 26 Desambra 2011

Aretina vaovao nipoitra tampoka ity ady tany eto Madagasikara ity ary tena mafy loatra, hoy ny fanamarinan’ireo rava trano tamin’ity taona 2011 ity.

 Nizarana vary sy menaka, gisa ary kilalao ireo traboina noho ny fandrodanana trano teny Ivato, Ankorondrano ary Ampitatafika ny sabotsy teo. Ny filohan’ny vaomieran’ny fiarovana sy filaminana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Atoa Alain Ramaroson, notronin’ny Talem-paritry ny ministeran’ny mponina, ny CST Rakotonirina Angelot ary ny filohan’ny HAFARI, fikambanana miaro ny zon’olombelona, no tonga nanolotra ny fanomezana tamin’ireo toerana ireo. “Noelin’ny vonton’alahelo ary Noely mangidy indrindra no iainanay amin’izao fotoana”, hoy ny solontenan’ireo rava trano, fa harena nangonina nandritra ny taona maro dia izao sisa noho ny fanaovana an-tsojay sy rainazy eto amin’ny tanàna.

“Tsy rariny raha ao anatin’ny fetin’ny Noely dia mbola misy izany fandravana tranon’ny vahoaka izany eto amintsika”, hoy i Alain Ramaroson. Manan-jo hanao fety am-pilaminana ny olona tsy an-kanavaka, hoy izy ka tsy azo ekena ny fanaovana antsojay sy ramatahora lava azy ireo fa mba tokony hojerena an-kitsim-po ny lafiny mahaolona.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT