Saika nifidy vao maraina avokoa ireo kandida sy ny mpanohana kandida noho ny asa mbola miandry azy ireo amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana na eo aza ireo delegen’ny kandida avy.
Rtoa Mahasahy Chantal kandida depioten’ny ankolafy Ravalomanana ao Toamasina I dia tonga nifidy tanin’ny 08ora sy 30min tao amin’ny lycée privé Chino-malagasy Ampasimazava, Atoa Christin MTS nifidy tao Ambolomadinika, Rtoa Ndahimananjara Johanita MAPAR sy Dr Benessy Harison Sebastien FIMAMI ary Atoa Andrianiarifera Malalaniaina MAMIMI samy nifidy tao amin’ny EPP Valpinson, Rtoa Sampivony Claudine Tse kosa nanefa ny adidiny tao EPP Tovivelona Raphael. Ankoatra ireo, dia samy nanefa ny adidiny vao maraina ihany koa ireo mpanohana ny kandida filoham-pirenena tao Toamasina. Nanefa ny azy tao amin’ny EPP Maurice Guyot i Pr Mangalaza Eugène Régis, tao amin’ny EPP 1904 i Me Rasamimaka Mahefalahy, Atoa Roland Ratsiraka tao amin’ny EPP Ambohijafy. Ireo kandida solombavam-bahoaka sy ireo mpanohana kandida ho filoham-pirenena dia samy nilaza avokoa teo am-pivoahana ny birao fandatsaham-bato fa “mila fifidianana madio sy mangaraharaha marina ny Malagasy. Miankina amin’ny fahamarinam-pifidianana eo mantsy ny hoavin’ny firenena sy ny fifandraisantsika amin’ny any ivelany ka raha tsy mitandrina ny rehetra indrindra ny mpanomana sy ireo rantsamangaika mampihodina ny fifidianana dia ho krizy vaovao indray no hiseho”. Efa samy mailo moa ny andaniny sy ny ankilany, ka samy nandefa mpanara-maso maromaro avokoa, indrindra nandritra ny fanisam-bato sy famenoana ny tatitry ny fifidianana ary ny fanaterana izany eo anivon’ny SRMV.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.