Actualités

IRAY VOLAN’NY RAMADANY Fifaninanana ara-panatanjahantena no nanamarihan’ny sekoly musulman izany


  • Alarobia 22 Jona 2016

Sambany no manamarika ny iray volan’ny Ramadany amin’ny hetsika hafa ireo mpianatra eo anivon’ny sekoly ambony IPAM ( Institut Privée Al-Moustapha Madagascar).

 Tamin’ny alalan’ny fifaninanana lalao baolina kitra hifanandrinan’ny mpianatra sy ny mpanabe ary  ny mpianatra teolojia musulman no nanamarihany izany, lalao notanterahina ny faran’ny herinandro teo. Ho an’izy ireo mantsy dia  ahafahana maneho firaisankina sy fifandeferana ary fifanampiana ny fanatanjahantena, soatoavina anisan’ny avoitrany  mandritra izao volana ramadany izao. Tsy ny fanahy irery mantsy no beazina, hoy hatrany izy ireo  fa tsy maintsy tsinjovina ihany koa fanatanjahana ny vatana mba ho tombontsoan’ny fahasalamana sy hahafahana mifantoka amin’ny fanamafisam-pinoana ary ny fahamasinana. Notolorana  loka 300.000 Ar  ny mpandresy tamin’ny lalao famaranana. 200.000 Ar  ny an’ny faharoa ary 100.000 ny an’ny laharana fahatelo, hoy ny tale jeneralin’ny sekoly  Sayed Taqi Ghazavi. Ezahina hotohizana isan-taona ny hetsika. Hitombo ny taranja hifaninanana mandritra izany izay hisokatra ho an’ny sekoly ambony eto amintsika hahafahan’ny mpianatry ny IPAM mifandray sy misokatra amin’ny rehetra.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

Hijery ny tohiny
FTT