Dia mbola mitohy hatrany ny fandefasana mody ny mpangalatra ankehitriny.
Tsy hitan’ny mpitandro ny filaminana intsony izay hanaovana azy ireo rehefa entina eny amin’ny fampanoavana ka tsy raisina. Voalaza mantsy fa ny dosie goavana sy ny heloka bevava ihany no dosie raisin’ny fampanoavana ankehitriny. Midika izany fa mahazo vahana ny tontakely sy ny mpamaky trano isan-karazany. Vokatry ny adilahy eo amin’ny mpitandro ny filaminana, indrindra fa ny polisy sy ny SMM no antony. Mampanahy ihany izany amin’izao andro fety izao.
Ny mampametra-panontaniana dia ny hoe raha misy ny “service minimum” ary raha nilaza ireo mpitsara roalahy, dia ny lehiben’ny fampanoavana sy ny filohan’ny mpampanoa lalàna, fa toy ny miasa ihany ireo mpiasan’ny fitsarana rehetra rehefa misy solontenany miasa eo. Maninona no tsy raisina avokoa ny dosie rehetra izay mandeha ao amin’ny fitsarana fa tsy fidifidiana ? Indrindra koa rehefa lazaina fa tombontsoa ambonin’ny firenena no tsinjovina ka nahatonga ireo mpitsara roalahy hihataka amin’ny grevy…
G.T
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.