Ny 17 oktobra 2011 no nivoaka ilay didim-panjakana, mitondra ny laharana 2011-636.
Fanendrena Tale jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny Inspection Générale de l’Etat (IGE) na ny mpanamarinasam-panjakana no antonantony. Nampisavorovoro ny mpiasa anefa ny fisiany. Antony maro no mahatonga izany rehefa nohadihadiana. Tamin’ny fotoana nanaovan’ny mpiasan’ny IGE “colloque” tany Foulpointe ny 24-25 novambra 2011 no nipoitra tampoka avy any, tsy nisy mpahalala, io didim-panjakana io. Iray volana mahery taorian’ny nivoahany, raha atao ny kajikajy. Fa inona no anton’io elanelam-potoana io ? Voalaza ao amin’ny andininy fahatelo amin’ilay didim-panjakana anefa fa noho ny hamehana dia mihatra avy hatrany vao avy ampahafantarina amin’ny haino amanjerim-panjakana.
Niteraka ahiahy teo anivon’ny mpiasa io, ary nampitroatra azy ireo ka nitarika fitokonana fanairana izay mbola manarazo mandraka ankehitriny. Rehefa notomorina indray ilay datin’ny 17 oktobra 2011 dia io andro io no nanaovan’ny praiminisitra tamin’izany, ny jeneraly Camille Vital, fametraham-pialana tsy ho lehiben’ny governemanta intsony sady niatrehany filankevitry ny minisitra farany tao Ambohitsorohitra. Nisy rahateo ny fampitam-baovaom-panjakana nitatitra ny zavatra noresahina sy notapahina nandritra io filankevitry ny minisitra ny 17 oktobra 2011 io, saingy tsy nisy resaka fanendrena mpiasam-panjakana ambony. Mampitombo ny ahiahy io. Avy aiza marina ary tamin’ny fotoana inona no nandraisana ity didim-panjakana ity rehefa tsy nandritra io filankevitry ny minisitra io ? Sao mba didim-panjakana “matoatoa” ? Fa mampametra-panontaniana ihany koa ny antony marina nitarika ilay fanendrena tale jeneraly mpisolo toerana. Tsy hoe marary mantsy ny tale jeneraly tompon-toerana na koa tsy mahatanteraka ny iraka ampanaovina azy. Manana dosie tsy mazava ? Misy fitsarana eto.
Raha misy ny didim-pitsarana manameloka azy, tsy asiana adihevitra. Raha ady boaty kosa no antony, dia mba mampametra-panontaniana ihany hoe : mendrika izany ve ny mpanamarinasam-panjakana izay antoka hisian’ny fahaiza-mitantana sy ny tany tan-dalàna eto mba hampanara-penitra ny asam-panjakana ? Sa kosa natao hanafenana sy hanarontsaronan-javatra ilay didim-panjakana ? Misy taratasy mandehandeha mantsy ankehitriny milaza fa misy fisafoana nanaovana fanamarinam-pitantanana tamina andrim-panjakana lehibe iray nefa tsy namoahana tatitra mandraka ankehitriny. Inona no antony igiazana izany tatitra izany ? Iandrasana rahoviana ny fanatanterahana azy ? Sa kosa misy ifandraisany amin’ity didim-panjakana ity ? Vokatr’io anefa dia misavorovoro ny mpiasa ary mandringa ny asa aman-draharaha eo anivon’ny IGE izay ahiana hitarika mankany amin’ny fisandohan’andraikitra. Ny fantatra aloha hatreto dia nitondra ny raharaha eny anivon’ny Filankevi-panjakana ny Tale jeneraly am-perinasa, fitoriana nipetraka ny 21 desambra 2011 teo. Andrasana ny ho tohin’io.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.