Raha ny tokony ho izy dia mandalo ao amin’ny sampandraharahan’ny asa sy ny lalŕna sosialy (Inspection du Travail) ny fampahafantarana fampidirana mpiasa rehetra.
Mbola vitsy anefa ny orinasa zatra azy ity, nefa betsaka ny mpitady asa mandalo mazàna eny mitsirika izay fanolorana asa misy. Amin’ny ankapobeny dia mandeha mivantana amin’ny orinasa ary mametraka fangatahana no mahavantana ny olona rehefa mitady asa. Misy dia misy anefa ireo mandeha any amin’ny sampandraharaham-panjakana misahana ny asa sy ny lalàna sosialy. Toy izany koa ireo orinasa mitady mpiasa. Tamin’ny volana desambra 2013 teo dia miisa 12 ny tolotrasa tonga tao amin’ny «Inspection du Travail» Mahajanga ary avy amin’ny sehatra tsy miankina avokoa. Nahatratra 77 anefa ireo olona mitady asa, ka 50 amin’izy ireo, nangataka fanamarinana fa tsy anasa ahafahana mitady asa amin’ny fanjakana. Tamin’io volana desambra io ihany anefa dia olona 121 no nahazo asa ka nampandalovina tao amin’ity sampandraharaha ity ny fifanarahana amin’izany. Olona efatra kosa no voaroaka. Isan’andro, hoy Raharison Jacquelin mpikirakira ny antontanisa ao dia misy olona tonga mitady asa foana.
Miankina amin’ny fahaizan’ny tsirairay sy ny asa misy anefa ny ahitana asa haingana na tsia. Amin’ny ankapobeny anefa dia betsaka ny olona mitady asa noho ny tolotra asa. Ny antontan-taratasy tonga aty aminay ihany no azonay raiketina amin’ny antontanisa fa misy dia misy ireo tsy mandalo aty aminay fa manao ny fampidirany mpiasa irery any. Ampahan’ny antontanisa ihany izany no ao amin’ity sampandraharaha ity hatreto. Betsaka ny asa sahanin’izy ireo manomboka amin’ny manelanelana ny olana eo amin’ny mpiasa sy mpampiasa, amin’ny filankevitra ho an’izay te hahalala ny zony ka hatramin’ny mikarakara ireo antontan-taratasy ahafahan’ny vahiny miasa eto amintsika. Izy ireo ihany koa no manaraka fifindra-monina araka asa ka misy antontan-taratasy fito ao ankehitriny ka efatra teratany ary telo vahiny.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.