Imadiala

> Mirongatra ny asan-dahalo, mitaky ny hampiharana ny dinam-paritra ny vahoaka


  • Alakamisy 06 Febroary 2014

Niakatra nanao rodobe tao Ambositra omaly alarobia 05 febroary ireo solontenam-pokonolona avy any amin’ny Kaominina Ikianjandrakefina, Ambohimitombo-II ary Alakamisy-Ambohijato niaraka tamin’ny zanaka ampielezana, nampahafantatra ny olana sedrain’izy ireo mahakasika ny tsy fandriampahalemana misy any amin’iny faritra Imadiala iny.

Nambaran’izy ireo fa tsy nahitana halatra omby Imadiala hatramin’izay fa hatramin’ny taona 2012 no nanomboka ny asa ratsy, ary niha nahery vaika tamin’ny taona 2013 teo ary mbola mitohy amin’izao taona 2014 izao. Tranga farany nisehoana halatra omby tao amin’ny Fokontany Ambohimandroso, Kaominina Ikianjandrakefina ny 28 desambra 2013 lasa teo.  Valan’omby telo no vaky ka nahaverezana omby miisa 16. Tratra tao Ivato-centre tamin’ny 04 janoary 2014 ireo mpangalatra. Valo lahy no voarohirohy amin’ity raharaha ity ka efa voatazona am-ponja vonjy maika ao Ambositra amin’izao fotoana izao. Mbola mandry an-driran’antsy ny vahoaka any amin’ireo kaominina ireo ankehitriny araka ny nambaran’ny lefitry ny filohan’ny Fokontany ao Ambohimandroso Atoa Rabemiandrasoa sy Dadafara avy ao Alakamisy-Ambohijato noho ny fahavitsian’ny mpitandro ny filaminana miasa any an-toerana. Takian’izy ireo ny hampiharana tsy misy hatak’andro ny dinam-paritr’Amoron’i Mania izay tsy mbola mihatra hatramin’izao. Mangataka miaramila hipetraka any an-toerana ny olona, ampitomboina ny isan’ny zandary miasa, foanana ny Jamà izay lasa fampitahorana ny vahoaka sady mandany vola. Manao antso avo amin’ny filoham-pirenena vaovao ireto vahoaka ireto mba hanao asa laharampahamehana ny ady amin’ny halatra omby.

 

 

Rado

 

 


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT