Actualités

IEF ACEEM Andravoahangy Nijery manokana ireo niangaran’ny vintana


  • Sabotsy 25 Jona 2016

Nijery manokana ireo niangaran’ny vintana manodidina ny fokontany misy azy ny sekoly IEF Aceem etsy Andravoahangy amin’izao fankalazana ny faha-56 taona niverenan’ny fahaleovantena izao.

 

 Kilonga madinika manodidina ny 50 isa izay zanaky ny sahirana ara-pivelomana avokoa, niampy zokiolona miisa 30 no notolorana fanomezana tamin’izany, nahitana  harendrina, vatomamy, bisikoitra ary  kojakoja fampiasa amin’ny fiainana andavanandro toy ny vary sy ny paty. Vokatry ny ezaky ny mpianatra sy ireo mpanabe ao amin’ity sekoly ity no angady nananana sy vy nahitana izany izay marihina fa zary lasa kolontsain’izy ireo mihitsy ho fanampiana ny mpiara-belona. Tafiditra ao anatin’ny fanabeazana omena ny mpianatra rahateo ny fahaizana mizara entina hanatsarana  hatrany ny fahaiza-miaina eny anivon’ny fiarahamonina. Nisy ny  dihy mirindra sy ny  fampisehoana notanterahin’ny mpianatra nandritra izany.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT