ICJ

IFT


  • Alatsinainy 23 Desambra 2013

Ny fanadihadiana mikasika ny krizy nolalovan’ny firenena Malagasy nanomboka tamin’ny taona 2009 no lohahevitra nisantaran’ny seha-pikarohan’ny sampam-pampianarana momba ny serasera ICJ ao amin’ny Ivon-toeram-piofanana teknika Analakely.

Fanontaniana mikasika ny fandraisana sy fahazoan’ny olona teto amin’ny tanànan’Antananarivo sy ny manodidina ary Manjakandriana ny antsoina hoe krizy sy ny seraseran’ireo mpiantsehatra ara-tsosialy ao amin’ireo haino aman-jery sy gazety no fitaovana nampiasain’ireto mpianatra taona fahatelo sy fahaefatra ao amin’ny IFT ireto. Nisongadina tamin’ny fikarohana nataon’izy ireo ny fahafantarana fa maherin’ny 50%n’ny valinteny nomen’ireo natao fanadihadiana dia nilaza fa ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009 no fototry ny fahasahiranana ara-toekarena sy sosialy mahazo ny sarababem-bahoaka Malagasy ankehitriny toy ny fiakaran’ny vidim-piainana, ny fidinan’ny fahefa-mividy ary indrindra indrindra ny fahantrana. Olana ara-politika anefa no voalazan’ireo ampahany betsaka tamin’ireo valinteny niverimberina ho anton’ny krizy ka vahaolana politika ihany koa no tsy maintsy amahana izany. Tsy afaka nivalampatra loatra tamin’ny fanadihadiana nataony ireto mpianatra ireto noho ny antony hoenti-manana sy ny fotoana izay fohy ihany satria nanodidina ny 10 andro teo no nanatontosana ny asa fanadihadiana miampy ny fandrafetana ny voka-pikarohana. Nanambara moa ny lehiben’ny sampam-pampianarana mikirakira ny serasera, Rasamoelina Louis fa mitana anjara toerana lehibe amin’ny fanabezana sy famolavolàna ny fomba fisainan’ny mpiara-belona ny tontolon’ny serasera. Porofo azo tsapain-tànana amin’izany izao santatra notanterahan’ireo mpianatra ao amin’ny ICJ izao ka fanoitra iray ahafahan’ireo mpitondra firenena mandray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny tena zava-misy marina fa tsy variana amin’ny filalaovana sy fividianana ny safidim-bahoaka.

 

Ramano F. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison FĂ©lix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT