Actualités

Iavoloha Hiaraka hifety ireo jeneraly vao nahazo galona sy ny filohan’ny FAT


  • Zoma 20 Janoary 2012

Hisy lanonambe eny Iavoloha anio. Araka ny loharanom-baovao dia ireo be kintana vao nahazo galona nomen’ny filohan’ny FAT no hiaraka hilanonana aminy anio.

 Hialohavana fanolorana saina io lanonana io. Mahavarina ihany ity fihetsiketsehana tampoka ity satria tsy vao izao no nisy fampiakarana galona jeneraly hatramin’ny naha teo ny FAT. Izao anefa dia mahavarina fa misy lanonana foronina izany indray. Fomba fanao ihany koa hatramin’izay ny fanaovam-beloma ireo jeneraly handeha hisotro ronono. Tsy izay anefa ity lanonana anio ity fa hafa mihitsy. Tsy ferana ihany koa ny amin’ny fanomezana baiko an’ireto be kintana ireto ny amin’ny toe-draharaha mafampana amin’izao fotoana izao. hatramin’ny ora nanoratana ihany koa dia tsy mbola nandefa fanasana ho an’ny mpanao gazety ny avy eny anivon’ny filohan’ny FAT. Matetika anefa ny lanonana tahaka izao dia ahitana izay fanasana indray andro mialoha izay foana. Mbola ankamantatra, araka izany, izay zava-hitranga eny Iavoloha ankoatra ny fanomezana saina (fanion) ireo manamboninahitra jeneraly vao nahazo galona ireo. Azo vakiana avy hatrany anefa fa tsy maintsy hisy fanapahan-kevitra lehibe aorian’ity fihaonana sy lanonana ataon’ireo jeneraly sy ny filohan’ny FAT anio ity.

Titan

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT