Actualités

I Aina Tonga tany an-danitra ary niverina tety an-tany


  • Alatsinainy 14 Novambra 2011

Nilaza tamin’ny vahoaka tao Iajaky Ambositra ny alatsinainy 07 novambra lasa teo fa maty ary niakatra tany an-danitra nandritra ny adiny roa i Aina na Solofoniaina Lala Bernard, tovolahy 14 taona.

 Miteraka resabe ao Ambositra ity zava-nanjo an’i Aina ity tato anatin’ny andro vitsivitsy izao. Araka ny filazan’ilay tovolahy dia narary nidiran’ny fanahy ratsy nandritra ny andro maromaro izy nialoha izao fisehoan-javatra izao, araka ny filazan’ireo ray aman-dreniny. Rehefa nanao ny ala nenina rehetra tamin’ny fitsaboana azy ireto farany dia nitondra azy tany amin’ny toerana iray ao Ankorona, tanàna atsimon’Ambositra amin’ny lalam-pirenena faha-7, nampandro azy tamin’ny rano voahasina ka teo no niova ny fahasalamany. Nisy hery niditra tao aminy, araka ny fitantaran’i Aina ka nahatonga azy ho toy ny olona maty sady tsy nahatsiaro tena. “Niala tamin’ny vatako ny fanahiko dia nisy nitarika ahy niakatra tany an-danitra namakivaky ny rahona, niditra vavahady fotsy, notsenain’ny olona miakanjo fotsy mamirapiratra”, hoy ny fitantaran’i Aina tamin’ireo olona nanontany azy. Nambarany koa fa nahita ny helo miendrika vilany be mihoatra ny haben’izao tontolo izao sy ny lanitra iriariavan’ireo olona ao amin’ny Paradisa koa izy.

Nandritra izany no nisy olona iray niteny tamin’i Aina hoe: “Mandehana ianao miverina any ambonin’ny tany ka ilazao ny Olombelona rehetra hibebaka fa efa akaiky ny farany. Aelezo amin’ny fomba rehetra izany ka mijoroa ianao vavolombelona amin’izay hitanao taty !”. Nidina tety an-tany i Aina ka niverina tao amin’ny vatany ny fanahiny sady salama tsara izy no avy hatrany niteny ireo hafatra ireo tamin’ny fianakaviany. Natrehin’ny mpitarika fivavahana iray ao Ambositra ity fijoroana vavolombelona natrehin’ny vahoaka marobe tao Iajaky ity, nilazan’ilay Pasitera fa “zava-misy marina no hitan’ity zazalahy ity”. Misy ihany koa ny olona sasany mihevitra fa “herin’ny devoly no nahazo an’i Aina”. Misy milaza koa fa “voyage astral” no nataony. Ny zava-misy aloha dia maro ireo olona mirohotra manatona an’ity tovolahy ity mangata-bavaka.

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT