Dimy volana taorian’ny nisokafan’ny hopitaly manara-penitra ao Toliara ny 12 jolay lasa teo, fotoana voalohany nandraisana marary, raha ny 15 jona no notokanana tamin’ny fomba ofisialy ity hopitaly miorina ao amin’ny kaominina Mitsinjo Betanimena, distrikan’i Toliara II, dia 325 no narary nandalo tao, ka 80 amin’ireo niteraka, raha araka ny fanazavan’Atoa Mbony Razafindramara Gustave, talen’ity hopitaly ity. «Hopitaly filamatra manakaiky hatrany ny vahoaka no tanjonay, na eo amin’ny fandraisana marary io, na eo amin’ny fitsaboana omena azy ireo. 70 %-n’ny servisy no misokatra amin’izao, na dia eo aza ny indro kely amin’ny tsy fahampian’ny mpiasa, dia tsy miraviravy tanana izahay 80 mianadahy mianaka mampihodina izany. 14 ny mpitsabo, ka ny 6 amin’ireo manampahaizana manokana, 18 mpitsabo mpanampy sy mpampivelona ary ny ambiny kosa mpandraharaha », hoy hatrany ity tale ity.
Hopitalim-bahoaka
Nitondra fanazavana misimisy kokoa ny tenany ary nandiso ny resaka miely hoe : «natokana ho an’ny mpanam-bola sy teratany vahiny ihany ity hopitaly ity». «Lainga izany, mandray marary izahay na manam-bola na tsia. Porofon’izany, io hitanareo entin’ny sarety io. Marary avy avy any ambanivolo io, nefa tsy manam-bola dia tsy maintsy tsaboina. Efa 20 mahery no notsaboinay maimaimpoana toy izao, satria vonjy aina no andraikitray, fa tsy miditra amin’ny resaka politika izahay, fa azy ny azy, fa ny fahasalamam-bahoaka no laharam-pahamehanay», hoy ity tompon’andraikitra voalohany ity, nahitsy fiteny nanaporofo tamin’ny mpanao gazety ny zava-misy. Sambany vao nisy izany «scanner» izany ao Toliara ary mitovy amin’ny saran’ny fitarafana eto Antananarivo ny any. Omaly ihany koa, raha araka ny fampitam-baovao azo farany no tonga ao Toliara ny mpitsabo manampahaizana manokana momba ny fo, raha efa an-taonany maro no tsy nisian’izany tany an-toerana.
E.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.