Mitohy ny fitakian’ireo mpiasa an-jatony eo anivon’ny hopitaly manara-penitra ao Toamasina mikasika ny «quote part» na ny «intéressement» izay tokony horaisin’izy ireo isan-telo volana.
Tsy mbola nositrahin’izy ireo anefa izany hatramin’ny herintaona nihodinan’ny hopitaly manara-penitra ao an-toerana. Koa manao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra mahefa isan’ambaratongany izy ireo. Hatreto aloha dia manjavozavo ny fanazavana voarain’ireo mpiasa ny momba ity «quote part» takiana ity. Nandre mantsy izy ireo fa miandry ny «Comptable” izay mbola vao hiatrika fianianana. Nezahin’ny mpanao gazety hatrany ny nanatona ny tompon’andraikitra eo anivon’ny fiadidiam-paritry ny fahasalamana. Nanambara ity farany fa : « tsy very akory ny vola takian’ireo mpiasa ireo fa miandry kely fotsiny ny fipetrahan’ny Comptable afaka hiandraikitra ny famoahana izany ». Mandra-piandry izay rehetra izay dia mpiandry raharaha na «service minimum» aloha no misy ao amin’ny hopitaly manara-penitra ao Toamasina. Tonga ao am-piasana hatrany anefa ireo mpiasa fa dia miara-miandry ny vaovao tsara. Mampanontany tena ny mpanara-baovao ihany ny zava-mitranga manoloana izao hijoroan’ny fitantanana vaovao ny firenena izao. Ho azo andrandraina tokoa ve ny hopitaly manara-penitra nandritra ny fotoanan’ny tetezamita ? Ho an’i Toamasina dia misedra ny fahatapahan-jiro sy rano matetika iainan’ny daholobe ny hopitaly manara-penitra ao Morafeno. Misy ihany ny gropy, saingy tsy afaka mandeha noho ny fahasimbana manara-penitra.
Fanja
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.