Vao nanao ny fitokonambe tsy nisy fiandrasan-draharaha ny mpiasa teo anivon’ny hopitaly manara-penitra Morafeno Toamasina ny talata teo, dia tonga avy hatrany ny ramatahora sy ny famonoana ny afo nataon’ireo tompon’andraikitra sy ireo mpitsabo mahazo tombontsoa samy hafa.
Tsotra anefa ny fitakian’ireto mpiasa dia ny handoavana ny volany antsoina hoe “quote part” na ny “interessement”, izay fandray isaky ny telo volana ny vola amin’izany. Voalaza anefa fa noho ny tsy fananan’ny hopitaly manara-penitra mpitana kaonty (?) efa ho herintaona izao, no tsy nahaloavana io volan’ny mpiasa io, ka nahatonga izao fitokonana izao. Nisy ary ny fanambarana nataon’ireo mpitsabo sy mpiasa manodidina ny 30 amin’ireo mpiasa an-jatony eo anivon’ny hopitaly manara-penitra Toamasina ity, nandritra ny famorian’izy ireo mpanao gazety notsongaina manokana, fa miasa izy ireo manomboka ny omaly alarobia 29 janoary hatramin’ny 20 febroary, fa mandritra izany no hitady ny fomba handoavana ny vola tsy voaloa herintaona ireo tompon’andraikitra sy ny minisiteran’ny fahasalamana, ary koa hametraka amin’izay ny mpitambolan’ny hopitaly izay tsy nisy efa ho herintaona niasana izay. Miandry ireto mpiasa ireto ary nanamafy fa raha mbola fitahina izy ireo dia raikitra ny fanakatonana ny hopitaly sy ny fametrahana sorabaventy hamantaran’ny olona fa misy olana eo anivon’ny hopitaly manara-penitra Toamasina.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.