Betsaka ireo marary diso fanantenana amin’ilay hopitaly manara-penitra etsy Andohatapenaka.
Araka ny loharanom-baovao dia andoavana 10.000 Ar ny fizaham-pahasalamana raha vantany vao mandalo dokotera iray ankoatra ny vidim-panafody sy ny fitarafana ohatra. Tafakatra 15.000 Ar kosa izany raha amin’ny andro fety na amin’ny andro alina na koa faran’ny herinandro ka tsy vitsy ireo mikaikaika. Ho an’ireo tratry ny lozam-pifamoivoizana kosa indray dia fantatra fa tsy afaka manda azy ireny ny hopitaly saingy tsy maintsy aloa ny vola lany, miankina amin’ny fahafahan’ilay olona niharan-doza. Misy ihany ireo tranga mahazo fitsaboana maimaimpoana, toy ireo olona nipoahan’ny baomba, raha araka ny loharanom-baovao azo ihany. Ny fitondram-panjakana no mandoa ny lany rehetra. Na izany aza anefa dia fantatra fa raitra dia raitra tokoa ny fitaovana ampiasain’ity hopitaly manara-penitra ity. Tsy mbola mandray mpiteraka anefa izy ireo na izany aza. Mikasika ilay fitsaboana ireo olona sahirana ara-pivelomana indray dia fantatra fa miankina amin’ny fananan’ny hopitaly vola hahafahany mampihodina ny tenany no hahafahan’izy ireo manatanteraka izany na tsia.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.