Tonga nanefa ny adidiny amin’ny maha olom-pirenena azy noho ny voin-kava-mahatratra omaly ny antoko MTS notarihin’ny filohany Atoa Roland Ratsiraka. Nampahery ireo naratra nipoahan’ny grenady teny Anosy, izay mbola misy roa ambin’ny folo manaraka fitsaboana ao CHU-HJRA, izy ireo nanolotra fanampiana ho an’ny marary tsirairay. Nanambara Atoa Roland Ratsiraka fa tsapa ny fandraisan’andraikitry ny fanjakana satria dia voakarakara tsara avokoa ireo teny amin’ny hopitaly, ary nisaotra ireo mpitsabo izay nanao ny ainy tsy ho zavatra tamin’ny fitsaboana ireo naratra. Tsy hijery ny resaka politika amin’iny fipoahana iny ny tenako”, hoy Atoa Roland Ratsiraka fa “tokony hiray hina sy hitady izay hahasoa ny vahoaka sy ny firenena no tokony hataon’ny Malagasy rehetra”.
Nofy R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.